You are here: home > Vetso

**Tia anao aho** - Tahina Fabien

Tianao aho

Teny kely iray manja
No atolotro ho anao
Teny kely nefa mafonja
Moa ve tia ahy ianao?
.
Tsy ho didy anefa izany
Na antery sanatria
Fa izay safidinao ihany
Na ho ENY na ho TSIA
.
Eny mantsy ry malala
Isika samy mahalala
Fa ny teny hoe TSIA
Dia fahavalon'ny FITIA
.
Dia veloma manantena
Hoy ny foko mitaraina
Manantena fa ekena
Amin'ny eny tsy terena
.
Izay ary ny teniko
Ka hapetrako ny peniko
Solom-bavako miteny
Dia ny rangotry ny peniko

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha