You are here: home > Vetso

Ny FITIAVAKO ANAO - Tahina Fabien

NY FITIAVAKO ANAO

Ianao ry tiako
Ny anilanao no tiako
Raha misedra tsy ariko
Fa ho leferiko dia iafiko
.
Ny fitiavako tsy lefy
Tsy mba misy ankanterena
Fa safidy tsots'izao
Ny itianao ry sombiniaina
.
Inty no tarigetrako
Dia teny soa no mba ampetrako
Ninoninona itranga
Dia ilay fitia tsy ho rava
.
Tiko loatra mantsy ianao
Tiako dia tsy foiko
Indro ny foko vaovao
Hiteny hoe tiako ianao ka tsy soloiko
.
Ampisainana no ilazako
Teny kely avy ato am-po
Fa ianao irery ihany rahavako
No hany rano mba sotroiko
.
Henoy ane zany foko e!
Tsy mitsahatra mitempo
Embonembona no mijoko
Ilay endrikao anaty sento
.
Tiko loatra mantsy ianao
Tiko mandrak'izay
Tiko foana zaho sy ianao
Hiano-pahasambaram-pehizay
.
Embonembona tsy tanty
Tsy anjara vintana tsy akory
Anaty haizina,mila lampy
Itsolo ity foko ngoligoly

Hametraka hevitra

Midira aloha