Voaheloka (tahirinjanahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana no hoe hadisoako
Raha toa izao tia anao
Meloka ve ity foko
Raha toa nitempo fitia taminao

Satria hono tsy natao hiara-dalana
Ny ory sy ny manana
Ny fitiavana hono tsy fanana
Fa ny harena eo an-tanana

Voaheloka ilay fitia
Voaheloka ho faty
Madory ho doria
Nalevina tsy misy vata-paty

Zava-poana hono ny fitiavako
Ambany nony tanam-polo
Eny rahavako
Fa any ankafa aho no hanolokolo
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
926 0
Hevitra mandeha
arlove ( 18/02/2015 15:52)
mlay be ky neny a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tahirinjanahary
Nampiditra : tahirinjanahary
Daty : 17/02/2015 13:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0196