You are here: home > Vetso

Raozy! - Tahiry Andry Lafatra

Namboly aho namboly anao
Ry raozy tsara indrindra
Hokoloiko ho vaovao...
Ahy ianao tsy hafindra

Vao namelana dia tiko
Manintona tsy tanty
Be tsilo fa hiafiko...
Mirangirangy sy miranty

Maro ny tao an_jaridaina
Fa ianao irery no nanaitra
Dia ianao no notsongaina...
Hahazo fitia tsy mala_maitra

Naningana tokoa ianao
Ka nataoko ho haingon_dapa
Sy nataoko ho filalao...
Kanto ianao izaho mahatsapa

Ny voninao dia mamy
Tsy ho lefy velively
Mamokatra eny ihany...
Hitangoronan'ny tantely

Dia handainga ve ilay mena
Fa hiredareda tsy amin'ny antony
Nisarika ahy ho ao Edena...
Noho ny ahasoany sy ahakantony?
TAL>04/07/16

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Tahiry Andry Lafatra


Nampiditra : Nofy Ny Fitia
Daty : 09/07/2016
Mpamangy : 578
Mankafy : 1
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Lasa
NY POETA HONO...
SOATOAVINA
MBA HAFARO!
Ny fitiavako ve?...

Hametraka hevitra

Midira aloha