You are here: home > Vetso

Nankaiza ry foko - Tanantsoa

Nahoana ry foko no misento maraina?
Toa vetson-toloko sy hiran-taraina
No misandratr’izao, manangoly ny anaty
Toa hiran-talaho, ka mila tsy ho tanty
Ny maso manjeny, ny saina torovana
Fa mibosesika ombieny ny fahatsiarovana
..........................
Kanefa ry foko,  ny omaly ka hafa tokoa
Andro namiratra be nibalika, ka nahoana ary moa?
....................................
Fa nankaiza ry foko irony tsiky maraina?
Tsy nisy toloko, tsy nahenoana taraina
Nankaiza  ireo  kalonao, tsy afaka am-bava?
Tsy nosemban’ny talaho, sy nahamiran-tava
Nankaiza ny herim-panahy nanefy ny saina ho vonona hatrany?
No izao toa feno ahiahy miatrik’ity androany!


Mombamomba

Mpanoratra : Tanantsoa

Nampiditra : Tanantsoa
Daty : 09/08/2017
Mpamangy : 285
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Toroy hevitra aho ry Ray

Hametraka hevitra

Midira aloha