Toroy hevitra aho ry Ray (Tanantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toroy hevitra aho ry Ray
Fa mbola zaza tsy mahay
Votsa saina, tsy mba kinga
Ka mila Anao ho ampinga

Toroy hevitra aho ry Ray
Fa Aminao ny fahendrena
Hijoroko mba ho sahy
Azahoako famonjena

Ny lalan-tsitrakao ry Ray
No mba tiako hizorana indray
Tsy ho toy irony lasa
Nitondra nenina sy latsa

Ny lalan-tsikao ry Ray
Ilay mitondra fiadanana
No aoka atoronao ho anay
Fa maro ireo sampanana

- Tanantsoa-
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
723 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tanantsoa
Nampiditra : Tanantsoa
Daty : 10/11/2016 09:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144