Kanto hianao - taratriniaina

Mpanoratra : taratriniaina
Nampiditra : taratriniaina
Date: 22/07/2004
Mpamangy : 260
Isa : 5
Fidio :







Kanto loatra hianao ry Tiako
Tsy hoe tiako satria kanto
Na hoe manome izay Iriako
Tsy hoe koa ny volonao milanto
No namabo ny fitiavako

FA hianao manontolo
Tsy anombinana ,tsy ampiana
No tiako ho tiaviko
Satria kanto hianao rahavako

Ny masonao mijery
Ny vavanao miteny
Ny tarehinao indrindra
Eny hatramin'ny famindra
Dia kanto ,meva ,sy mirindra

Eny kanto loatra hianao
Ry asan-tanan'ny Mpahary
Tsy nataony sarisary
Fa vita lavorary

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

bichette (22/07/2004 09:15:37)

endrey, tsara ny asa-tanann'Andriamanitra !

tsila (09/03/2010 11:32:20)

valin-kira ho anao : http://vetso.serasera.org/tononkalo/tsilaitra/kanto-nefa

Hametraka hevitra

Midira aloha