Noely tsy honohono (taratriniaina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Noely anie ka fifaliana, hanadinoina ny hakiviana!
Ny Noely anie ka fitiavana, izay zaraina amin'ny namana!
Ny Noely anie ka tena fety, hanatsaraina ireo tsy mety!
Ny Noely anie ka noely fa tsy rediredy velively!

Ny noelinao anie, ka ao anatin'ny fonao
Ny tantelinao anie, ka tsy an-koditra na amolotra
Miaraha mifaly amin'ireo mifaly
Miraisa lanonana amin'ny ankohonana!

Dia izay ilay noely, tsy ilaina dadabe noely!
Tsy ho avy mihitsy izy io, fa toy ny rivotra, tadio!
Atsanga tsy aman'orana, angano, arira noforonina!
Tsy kilalao ihany akory no afaka hampitsiky ireto nify!

Dia izay ilay noely, na mangidy aza telina!
Satria fahatsiarovana an'ilay Mpamonjy tonga nofo
Nanaisotra ny jaly, namaha ireo fangejana
Tsy ho noely fe noely fa ho noelim-pandresena!

Tsy ho noely fotsiny an-diary, fa noely tsy manavaka
Ka na salama na marary dia aoka isika mba hivavaka
Hiandrandra ilay Tsitoha, loharanom-pahasambarana
Io no aoka ho noelinao, ilay noely tena noely!


Taratriniaina
--------
Rohy:
7588 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : taratriniaina
Nampiditra : ratoto
Daty : 30/12/2009 00:00
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096