Raiki-pitia (taratriniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Izaho sy Ianao raikipitia"

"Taratra malalako
Laingo fitiavako"
Ireo no ambetinteny hifanononatsika
rehefa isika tafahaona
Ka na orana mijohy,na andro mibalika
Ireo lay teny manova ny ririnina ho zary lohataona!


Enao lavitra ahy
Izaho tsy akaiky anao
Ny fotsika, mitambatra ho iray
tsy hokivin'ny elanelantany
Fa ny tanjontsika de ny hifanaiky hatrany

Mety ho maro tokoa 'reo fakampanahy
Mety andringotra eny andalana
Nefa aza manahy,fa ianao ianao iany
Ianao iany no tokako eto an-tany

Tsy foiko ianao
Ianao no mameno ny foko!
Ny saiko sy ny eritreritro
miantsampy sy miantefa
maminavina ilay endrikao
mibanjina, mifantoka
mifantina ireo fihetsikao
mifantsika ato antsaiko
tsy mety hoadinoko na ho soloiko,
fa mipetraka ho nofy!

Sarotra amiko
Eny aminao koa,
ny mamaritra,ny mametra na mamatra
Ireo fotoana iaonatsika,
Fa toy ny minitra, ireo ora, andro, alina
Izaho sy ianao samy makafy
Fa izany no olondroa raikimpitia

Laingo&Taratriniaina;
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
6887 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : taratriniaina
Nampiditra : ratoto
Daty : 27/12/2009 03:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097