Ry taniko - taratriniaina
Azo vakiana?
Any hianao ry taniko
Any ambadiky ny takona
Any ankoatr'ireo havoana
Ka toa lavitry ny tenako
Na dia izany aza e
DIa ao an'eritreritro ao
Ato am-poko lalandava
Ireo kanto izay raketinao
Ary koa antenaiko
Fa na ho ela na ho haingana
Ireo sary an'eritreritro
Sy ireo vetsovetsom-poko
Dia ho tanteraka tokoa ,
miandrandra ilay fihaonana
Sokajy :
Tanindrazana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : taratriniaina
Nampiditra : taratriniainaDaty : 21/07/2004
Mpamangy : 1481
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy anjaraNoely tsy honohono
Raiki-pitia
Tsy kivy e
Kanto hianao