You are here: home > Vetso

Tsy kivy e - taratriniaina

Mafy izany lavi-kavana
Toa mangidy ny lavit'olon-tiana
Fa toa tsy misy iantsapazana
Ary tsy misy ifikirana

Fa tebiteby lalandava
Sorisory ,hakaviana
Rahoviana re vao ho miran-tava?
Ka ho lavi-pahoriana?

Ny fonenana nilaozana,
Ireo malala nohadinoina,
Ireo sakaiza dia nafoy
Fa ny- ho avy no koloina

Tsy ho kivy ambony ihany anefa
F a raha misy tsiky iray miantefa
Dia tanako ho hery sy tohana ifaharana
Hamitako ny fianarana

Fa na lavitra e ny dia
Dia ao ny Tompo be fitia
Izay mitsinjo izany lalako
Sy manefy ireo anjarako

Sokajy : Fampaherezana

Mombamomba

Mpanoratra : taratriniaina

Nampiditra : taratriniaina
Daty : 21/07/2004
Mpamangy : 2829
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Tsy anjara
Noely tsy honohono
Raiki-pitia
Ry taniko
Kanto hianao

Hevitra mandeha

bichette (21/07/2004 09:14:33)

Mahereza !

NyKanto (21/07/2004 09:54:26)

Aza malahelo ary mahereza hatrany, dia tazony sy araho hatrany ny tanjona efa nokinasanao hovitaina aty an-tany lavitra izay misy anao, mety miserana tokoa ny hakiviana indraindray fa ireny no ataovy fanoitra ho entinao manoroka ny ho avinao mibaliaka!
Ny Kanto.

Malalason (21/07/2004 12:12:44)

aza manambe ianao fa lalanam-piainana izany ary misy mahatsara azy mitrakà
R.JO

hendry (21/07/2004 13:59:58)

Tsara rehefa tsy kivy ka.

Mitsoa (29/09/2012 16:28:58)

ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra e.akory atao?

Hametraka hevitra

Midira aloha