Iny havako iny (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny havako iny

Any ho any izy izay
Ampitan-drano lavitra ahy
Any izy no mitoetra
Any izay havako izay.

Efa ela no tsy nihaona
Manina azy indraindray
'Nefa na tsy manoloana
Tiako izay havako izay.

Lavitra an'i Gasikara
'Nefa be mpikarakara
Ho tafita soa aman-tsara
Re ry havako malala.

Ho avy i Dada sy i Neny
Hamangy anao ho tonga eny
Dia veloma mampamangy
Ka ho ambinin-Jahary.

Tatamo Ravaky Ny Farihy
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1080 1
Mpakafy: tatamo1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 25/07/2016 02:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157