Namako ianao Ry lanitra (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namako ianao

Ry lanitra iry mampamanina anao
Toa mitahiry ilay fitsikinao
Na ny alina aza toa ahitako anao
Ilay endrika sy ny hatsaram-ponao


Tsy hay tsy ho tsaroana na koa hoadinoana
Toa manitra anao avokoa izay jerena e!
Raha indro mandalo dia toa vita kalo
Ny saina torovana efa tsy ngolingoly


Fa inona loatra ary izato nahasarika?
Ianao ilay nihaino tsy maintsy niharitra?
Tsy roa aman-telo fa nety hoe ho tokana
Ny tsiambara telo niriako ho fonosina


Rehefa mibosesika an-tsaiko ny teny
Ny vavako vahotra ombieny ombieny
Ny peniko koa indraindray miahotrahotra
Fa ianao nanampy ahy hamoaka azy ireny


Nahay nihaino, nanoro, nanintsy
'zay hitako fa nety tamiko mihintsy
k'isaorako ianao ireo fotoana tsy voatsitsy
Ny ora, ny lera, ny toetra nanintsy


Mahatsiaro misinda ankehitriny ny saina
Hanohy izato dia ka tsy ho very maina
Ny fahamatorana no hampitombona
Ny sorisorim-piainana odiana tsy tsaroana


Fa ny hany farany mba angatahiko
Raha ianao ilay hany namana, moa ve ho faranana?
Sa ho tapitra hatreo ilay sofina mihaino?
Ny hevitra, ny tsiky eny ny fampianarana?
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
3295 1
Mpakafy: tatamo1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 24/09/2016 03:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0335