Namana (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namana

Ny namana?

Olona tsy nifankahalala
Fa nampihaonin'ny anjara
Mifanohana sy manoro
Ka manao izay tsy hampikoro


Olona mahay manarina
Mampadio sy manamarina
Olona mahatoky koa
Ary tsy miroaroa


Olona manao izay mety
Hampisondrotra anao
Tsy tia tena velively
Fa mizara izay atao


Olona mahay mihaino
Mandinika izay mampanahy
Tsy menatra ny hibedy
Raha toa ianao alaim-panahy


Olona tena notsongaina
Mahahalala izay manjo
Mahay mamantatra avy hatrany
Ny aretin'ity fo


Olona mino anao
Rehefa ny hafa no misala
Ka tsy aminao faly ihany
Fa raha sendra ny manjo


Olona mijoro hatrany
Ho anilanao na sarotra aza
Ny lalanao arahany ihany
Kanefa ahitsiny ihany koa


Olona manaiky anao
Na ory na manankatao
Tia anao hatrany hatrany
N'aiza n'aiza misy anao.

Tatamo Ravaky Ny Farihy
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1468 1
Mpakafy: tatamo1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 25/07/2016 03:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137