Ny ankohonana (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ankohonana

Olon-droa nifampijery,
Nifanantona tsy niery,
Nanaiky ny hiara-dia
Ka hiaraka ho doria

Tafaray ny fo sy ny aina
Saina, vatana, fanahy
Ka niakatra alitara
Izay ho avy tsy hampanahy

Tao ny ngidy sy ny mamy
Fitsapana nahamay
Nefa dia nijoro ihany
Satria io no silaka fanahy

Dia tonga ireo fara sy dimby
Sombiniaina, rehareha
Aro riaka raha te hivily
Mampikambana ny sahy

Ankohonana izany,
Izay no mahalaza azy
Olon-tiana akaiky indrindra
Manohana sy mampirindra

Iriko re ry Tompo tia
Ny hiarovanao anay
Tahio 'zahay hifankatia
Sy ho anilanao doria doria!

Tatamo Ravaky Ny Farihy
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1084 1
Mpakafy: tatamo1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 25/07/2016 02:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146