Ny zanako (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny zanako

Ny mamiko indrindra raha mbola eto an-tany,
Dia tsy misy hafa fa ny zanako ihany
Zanako tiako ary koa fifaliako
Sombin'ny aiko ka dia hiafiko.


Masoandro miposaka andro ririnina
Manafana ny akany na tsy misy n'inon'inona
Manome fifalina tsy hay halalinina
'Reo zanako tiako ary koa fifaliako.


Mamerina tsiky raha toa aho manjombona
Manome aina rehefa torovana
Mamporisika hatrany raha toa kamokamo
'Reo menaky ny aiko no sady lalaiko.


Ny hany angatahako dia tsotra ihany
Tahio re ry Tompo ireto zanako ireto
Omeo fahandrena, arovy amin'ny ratsy
Ireto malalako silaky ny aiko !

Tatamo Ravaky Ny Farihy
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1709 1
Mpakafy: tatamo1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 25/07/2016 02:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0176