You are here: home > Vetso

EMBONA SY TO! - Teboka Telo

Nanembona azy aho omaly
Hoe: aiza ho aiza ary izy izay?
Soa, anio, to sy voavaly
Fa indro, tazako eto indray
Irony tsikiny malefaka;
Reo hantahatany sy dongy;
Ny angolangolany, miresaka
Miharo sangy, longilongy!
Tsongotsongo, adiady
sy ankamantampantatr'eny...
Ireo no nampivona tady
Ho fato-matinay ombieny!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha