You are here: home > Vetso

HO HITANAO TSARA IZANY!!! - Teboka Telo

Azo vakiana?

Mbola hanembona ahy ianao, fa ho hitanao tsara izany!
Hikatsakatsaka hatraiza fa hamoy no hiafarany!
Izaho, ilay tsy valinao teny sy vazoinao velively!
F'hifaram-bodina tangena iny zingana tantely!!!

Fa hitady ahy ianao fa tsy hahita sary akory;
Hanadihady, am-bava olona; hifoha maraina, hiari-tory!
F'izaho iavonanao io, tsy omenao hasina sy sanda,
Havonin'hambom-pon'ny tia mifitsaka ao anaty manda!

Fa na hikatsaka aza ianao, ny aty ange ka manan-kambo
Na dia nidonam-pahoriana, niatri-doza be sy antambo,...
Fa hanody anao ireny fa ho hitanao tsara izany
Hileladela-paladia, tsy hanan-drariny amin'ny tany!

Teboka Telo 30/07/17 23h00

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha