You are here: home > Vetso

IZA MOA IZAY IZAHO? - Teboka Telo

Azo vakiana?

Raha izaho no mba poety:
Mpandiam-penin'aingam-po!
Na ny horaka an-tanety, aza,
Ho safo-tsoratro avokoa!

Raha izaho no mpanoso-doko:
Mpikira lokondonkon-tany!
Na ny talana ao am-pisoko, aza,
Ho voatemitro ho akany!

Raha izaho no mpikalo:
Mpiangolangolan'antsam-peo!
Na ny rivotra mandalo, aza,
Voaventiko hiram-borondreo!

Saingy, iza moa izay izaho:
Dontodonton'adin-tsaina!
Ringidrindri-drantsan-taho,
Kiana, lozo-karakaina?

Hametraka hevitra

Midira aloha