Maina ny tany (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia nivadika ny rasa: ny ambony ity no lasa ambany
Ny kere zay tany atsimo no tonga eto an'ivon-tany!
Any atsimo indray izao no lozabe sy tena angano
Oram-batravatra, izao: tondra-driaka, tondra-drano!

He! Ikopa! Zary maina! Mirakaraka be ny vato!
Mitriatra koa ny tanimbary; fa hain'andro be tsy miato!
I Mandroseza, aza, hono, andro vitsivitsy sisa
Dia ho maina, karakaina,... Fa ny rano dia ho ritra!

Ndao hatambatra ny hery fa loza, antambo, ity sy ankaso
Ndao hiaraka hirona; hanangona ny ranomaso
Hanondrahana ito tany: maina, kiana, karakaina,...!

Miomàna isika rehetra fa ho mafy ito taona
Fa fahavaratra aza ity no zary miendri-dohataona!
Dia fehezo, re, ny kibo ary ampionony koa ny saina!!!


Teboka Telo
--------
Rohy:
1034 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 17/01/2017 14:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115