NENY (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao, anio, ry Neny,
'Lay hany tiako, tsy atakalo; tsy mety afoy, tsy hay afindra
no anolorako ny teny
Dieny mbola hita ianao... Tsy teny kanto, tsara rindra
Vonjy tavan'androm-pety;
Fa teny vokatry ny fo, ho fanomezana fanolotra
Miboiboika avy ao anaty!
Tsy hay kobonina f'injao, mipololotra eto imolotra!

Avy aminao no nisaforako
Oroka sy safosafo, teny mamy, tambitamby,...
Ka ny toky nisalorako
"Ineny ny ahy: rehareha"; tena toky, manana amby!
Natosakao ireo fitia,
Natohokao koa 'reo tantely, teo imolotro sy anaty
Ka reko mianoka doria...
Aminao ny fifaliako, ry Neny tiako mandra-maty!

Nampianarinao ahy
Ny hikaro-pifaliana amin'ny kely izay sahaza;
Nokoloinao ny fanahy
Hikotri-panetren-tena, ts'hitady dera sy ny laza...
Eny, mbola ianao irery
Nampianatra ahy mba hangina raha sendra rahona miserana,
Fa hanangona ny hery
Hahazoan'ny fandresen'ny olo-manam-pandeferana!

Ireny sentom-pon'Ineny
Raha sendra ditrako tsinahy, nahasolafaka famindra!!!
Sahiko eto ny miteny
Fa nenin-tongotro aman-tanana, ka ivalozako eto indrindra;
Ifonako, ry Neny, tiako!
Ialako im-pitoloha mangitsoka; tsy hanin-droa, tsy hanin-telo!!!
Ka ny hany fifaliako?
Ny fifalianao ry Neny, tsy hanananao 'reo alahelo!
--------
Rohy:
Sokajy : Fety - Fianakaviana - Fitiavana
1682 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 29/05/2015 13:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111