NY VEHIVAVY (Teboka Telo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Be 'reo milaza sy miteny
Fa ny vehivavy na manangy
No atao hoe fanaka malemy! ...
Ka raha miangoty sy misangy,
na misy zavatra tsy ekeny
Dia tampenam-bava tsy hiteny!!!

Lazaina koa fa izy reo:
Olon'ny fo, mora mangoraka,...
Ka raha sendra mba maneho
Ny hevitra mba tiany haboraka
Dia sakanan'izy mianakavy
Fa hoe fiheveram-behivavy!

Ambara ho ravaky ny lalana
Sy raozy kanto anaty vazy,...
Ny fizaran-tsikiny mahalana
Nefa, zary tsiky tonga ho azy!
Fa tsy mitsitsy raha ny aina
Nefa tsy renao mitaraina!

Fa na ho fanaka malemy
Na ho ravaky ny tokantrano
Ny lehilahy sy izy ireny
Dia toy ny vary sy ny rano...
Olombelona mitovy zo,
Loha sy saina ary fo!
--------
Rohy:
2941 5
Hevitra mandeha
kalonantitra ( 08/03/2019 11:47)
Betsaka ny mpamangy tato izany androany a! Andronareo marina anio e!
ikalamako ( 08/03/2019 15:24)
nandalo, dia nahita dia niantsa fa kanto loatra ilay tononkalo.
Fisaorana avy aminay vaiavy e !
Ao amin'ny radiovazogasy ao isaky ny adiny telo no mandeha ny tononkalo. Fa i Bot no manao ankitsapaka ka asa rahoviana no handeha izy ity.
raims randriamalala ( 10/03/2019 13:58)
kanto loatra lay tononkalo, ary feo tena kanto koa no niantsa azy, mafinaritra be ilay feonao miantsa, mankasitraka namana a
raims randriamalala ( 10/03/2019 13:59)
Ary tokony mba misy an'izany feo zany foana ato, mba mba mangataka raha azo atao, :)
ikalamako ( 10/03/2019 20:41)
@raims, efa misy tononkalon'ise voaantsa koa ao izay : i Tonombavaka ;)
Atao tsikelikely e fa misaotra anareo manoratra sy mizara indrindra indrindra.
kalonantitra ( 11/03/2019 05:37)
Isaorana anareo nankafy ary isaorana koa ny Radiovazogasy! Hivoatra hatrany anie ny Kanto Malagasy, indrindra eto amin'ny lafiny HAISORATRA
raims randriamalala ( 11/03/2019 17:03)
misaotra tompoko o, tena mafinaritra dia mankasitraka namana a
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 08/03/2019 11:13
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149