You are here: home > Vetso

TEKITAONIKA - Teboka Telo

TEKY TAO NIKA!!!

  
Malaza ankehitrio ny Tekitaonika :
'Lay dihy hafahafa sy sarotra adika;
Tsy "afindrafindrao" no tsy mba "basesa",
Fa dihin-jatovo ka tsy hain'ny rehetra.  

Voahogo ny volo, voasasa ny tanana,
Dia mipelipelika havia sy havanana;
Afindra ny tongotra haladilady :
Toa kankana kely voatombok'angady.

Ny volo amy 'zany tavonana menaka:
Dia atao matsoko sy manjelanjelatra;
Ny fitafy amy zany tsy fantatra intsony
Toa lobaka ambany, kilaoty no ambony.

Na an-dalam-be io na an-dakilasy
Dia roboka ao ry Zatovogasy,...
Ka gaga ry Dada fa tsy afa-miteny:
Fa raraka hatramin'ny ivin'Ineny.

Ireny, rankizy, no zava-bahiny :
Tanora hianareo ka tsy omeko tsiny
F'izahay koa aza anie fahizany
Nikosoka dihy sy nihosona tany.

Tsara ny manana zava-baovao
Kanefa ny hafatra atolotro anao :
Fantaro ny ratsy, tazomy ny tsara
Mba ho reharehan'ity Gasikara.

Randran'ny hafa, tsy hanendrika anao;
Gaodasy tsy antonona, esory fandrao
Hikiky ny rantsan'ny tongotry ny tena,
Ka hikotringatringa rehefa miantsena.

Teboka telo (Ismaël Edvin)

Sokajy : fiainana, Hatsikana

Hevitra mandeha

hery (14/03/2010 07:04:48)

Reveko ity tononkalo ity. Tiako ny fanoratr'i Teboka Telo.

maeva74 (16/03/2010 01:09:12)

Mahafinaritra sy mampihomehy ny soratr´i Teboka telo kanto

fahamarinana (20/03/2010 17:40:36)

Somary hafakely fa mahavariagna e! Miandry ny manaraka ndraika !:-)

kalonantitra (03/08/2017 10:06:00)

Mirary soa anareo mpankafy

Hametraka hevitra

Midira aloha