TOVOVAVY GASY (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Afatony ao an-damosina ny volo randran-telony
Ka misahondrahondra;
Ankininy amin'ny soroka havanana ny elony,
Milokona diamondra,...
Asiany laingom-bolo, iniana tsy hogoina
Iny tavany an'ila...
Ka safotra aho, ry lahy,... Toran-tsy vonoina!
Ny masoko nihagila!

Ao 'reo hafakely manaitra ny atifoko,
Ny haingo mamololony :
Ravahany amim-bakana madinika hafa loko
Izato tendrom-bolony;
Atosany eo am-bava 'reo tsiky soa manify
Toa volana baliaka!...
Ka tafapetraka aho, lahy, mahita ireto nify
Miraratra, botsiaka!

Ao indray ny hafa, mamela hirakorako
Ireto volon-doha,...
Raitra sady kanto, soa sy bakobako,...
Ka mamohafoha
Ny ao anatiko ao, hamisa sy haminany
Zay fototra niorenany:
”Angamba tsisy Anjely intsony any an-danitra any
No eto no itoerany?”

Ao ireo mirona amin'ny fanapaham-bolo
Ho toy ny lohan-dahy;
Manaraka ny rivo-pivoaran'ny tontolo
Ka roso, tsy manahy!
Vesarany 'ty kavina, vaventy toa kalesa
Ny sofiny... Ka tsiky
Arahiny 'reo dihy : basesa sy malesa,
Salegy sy tsapiky,...
--------
Rohy:
1419 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 19/01/2017 12:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101