Lasa any iny (Telomahery)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASA INY

Lasa any iny
taratasy iny
hamangivangy azy
tsy misy vazivazy
hanatrika anoloany

Toa efa fantatro eto
ilay izy velon_tsento
feno fanahiana
dodona sy liana
faly maharay
ity taratasy iray

Ka raisiny eo iny
fa mbola tsy vakiany
fa jereny tsara aloha
ireo adiresy roa
andamosiny ao
k hatrao ambadiaka ao

Dia haka toerana izy
hangina izay tsy izy
dia hanokatra amin izay
an ity volopy iray
vakiany hatrany amboalohany
dia hientana ny fony
.
Fantariny amin izay
ny onja nampiray
sy zava nokinasa
amin ity taratasy lasa
fantam_pihaviana.
mamangy am_pifaliana

Haverimberiny eo
vakiany tsy misy feo
ny vonton dresaka ao
ka nofy izay mba lao
fa hiezaka izy hamantatra
ny sarin akamantatra

Dia hitsangana izy Hitoetra
ary hiezaka hametra
zay mety hafaliany
na ny sento panahiany
ka zary lasa moana
tsy fantatra nahoana?

Dia eo izy hamaly
an ilay taratasy omaly
heveriny ambony
mitsidika am pofoany

Dia ho soratany ao
tsy misy rahoraho
ny marina ao am pony
izay efa vaky vony
(...)
24/07/07
--------
Rohy:
1274 1
Mpakafy: tahirynas
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Telomahery
Nampiditra : telomahery
Daty : 28/07/2015 14:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0525