Tiako Enao (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao tena tiako
Eny tiako ho malalako,
Efa ianao no nofidiko,
Mba hitantana ny tanako.

Tiako ianao tsy hoadinoiko,
Tiako ianao aza manahy,
Tiako ianao tsy hosoloiko
Tiako ianao satria tia ahy.

N'iza n'iza no haneso
Na hanaratsy na tsy tia;
Fa ianao ny ahy no ekeko
Ny andao anao dia sanatria.

Raha ny tokako ianao
Ny ato ampoko tena tia
Eny tia hatram'izao;
Mandrakizay ary ho doria.
--------
Rohy:
1805 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149