DIAVOLANA (TIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIAVOLANA

Iny takariva iny
Iny no tsaroako nanome aina indray ny andavanandrom-piainako
Iny ianao tonga iny
Iny no nitiavako,tsy nahazoako akory na dia iray minitra hisainako
Teo no nihovitra ny taniko
Teo no ritra ny tomaniko

Iny ianao namihina ahy nampitraka indray ny lohako
'zay novesaran'ahiahy erin-taona sy nigohako
ny ngidin'ny fitiavana
Tsy nitia, tsy notiavina

"Tia anao aho" hoy ny bitsikao mangina reko tao am-poto-tsofiko
Saingy nony inona, ny voloko niraika taminao indray no notsofiko

Fa toy ny tsy teo aho
Lasa ny fisainako
Iny ianao nanatrika
Fa tsy masoko nitopy
Fa tia aho dia nikiry
Nikipy nieritreritra
Ninia tsy nierikerika
Fa tao an-tsaiko tao
Diavolam-penomanana
Erikerika manify
Nisy aloka mitsiky
Olon-droa mitampify
Mifanoroka izaitsizy
Mifamihina dia dify
Ô izany ka hasambarana
Asa angaha mpivady vao...
Dia reko ianao nanoroka
Kay ny antsika vao miantomboka

Iny diavolana iny
Hasambarankelintsika

TIANA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1257 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : tianarilala
Daty : 22/07/2014 05:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116