ZAKAIKO MORA FOANA (TIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZAKAIKO MORA FOANA

Tsy mora ho an’ny tia ny mamboraka fitiavana
Ny hilaza hanambara ny tena ao am-po
Fa ny loza dia ity, raha toa ka fandavana
No setriny, mandrara, mandratra ny atifo

Mizaka ny tiavina koa indrisy tena sarotra
Raha sendran’ilay tia d’ilay misisika iny foana
Efa ilazana “tsia” kanefa miady varotra
Tsy mety leo mihitsy,tsy hita atao ahoana

Tsy moramora mihitsy akory ny manadino
Ny fifankatiavana, niriana mba ho mamy
Tsarovana eny foana, toa ila tsy ampino
Fa hay moa nofinofy, miserana ihany

Fa amiko ireo, mbola azoko leferina
Azoko takomana ihany koa ny fijaliana
Fa ny zava-doza, sarotra afenina
Raha toa ka voadoana,fitahan’olon-tiana

TIANA
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy
1300 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : tianarilala
Daty : 16/07/2014 07:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177