hitomany aho satria..... (tianarakotoarimalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zava-tsarotra tokoa ny mitia eto antany.
Tena mahavaky fo fahoriana sesy lany.
tsy hita intsony zay atao tsisy koa ny azo ambara.
Zary lasa an-kilabao lay fitiavako any ampara.

Ianao no efa tiko ka nanolorako ny foko.
Sady efa mba niriko hanafoana ny toloko.
Indrisy anefa..!elanelan-tany mantsy no mampisaraka antsika.
Tsy mba elankela-trano ka ahafaha miampita.

Hozaraiko aminao zany fahoriako izany.
toa tsy tantiko intsony ka mampirotsaka tomany.
Dia hitomany aho satria..tiko ny ahita anao.
lavitrin'ny maso mantsy ilay tena endrikao.

Fa ny foko kosa anefa na dia lavitra aza aki.
hitoetra ho anao ny hanadino SANATRIA.
Dia hitomany aho,hitomany ny fitiavako.
ka hijohy tsy hijanona ireto rano amin'ny tavako.

Tsy hitomanim pisetoana anefa ilay fo anatiko ao.
fa mbola ho tonga ilay andro ANATREHANY ANAO

(mbola hitohy)
--------
Rohy:
1000 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tianarakotoarimalala
Nampiditra : tianarakotoarimalala
Daty : 10/10/2014 03:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094