You are here: home > Vetso

HITIA IANAO HITIA - Tiary N.

Rehefa ianao hitia
Hanana sakaiza tsy roa ambonin'ny tany
Dia ataovy sanatria
Ny hitia tanteraka azy.

Rehefa ianao hitia
Dia tiava fotsiny ihany.
Tsy akory vazivazy
fa tiava dia tiava
Ary aoka hifanaja.

Rehefa ianao hitia
Nahita ilay hotiavina
mandrakizay doria.

Dia izao no tadidio :
Emboka ny fony
Mety tsy hahatandrina
Io voady masina io.
Dia aoka ianao hitandrina
Tsy hanisy lonilony.

Fa rehefa ianao hitia
Dia tiava fotsiny ihany
Hoy ilay Poeta.
F'izany rehetra izany
No fitiavana tomoetra.

TIARY N. 14-05-2019

Mombamomba

Mpanoratra : Tiary N.


Nampiditra : tiarykalo
Daty : 14/05/2019
Mpamangy : 120
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

FITIAVANA

Hametraka hevitra

Midira aloha