Kalon'ny voadona (Timoty Josto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny olo-tiko voaloha;
Mioty no anarany;
Fanirianay roa
Hifankatia hatramin'ny farany
Izy tia ahy,izaho tia azy
Nananja azy aho mandrapiavy ny mariazy

Fa nataony vazizy,ilay lokaloka
Izy kay nitondra vohoka
Tamin'ny olon-kafa
Ny foko toa naratra
Voadona mafy aho
Voadona ka tsy zaka

i Mirana kosa
Tovovavy tena tsotra
Lay olo-tiko faharoa
Nanakinako ny fo
Nefa toy izany ihany koa...

Efa saika kivy aho
Fa nifanojo tamin'ny Ando
Zazavavy feno tsiky
Maontimaontina fiakanjo
Ka izy indray no tiaviko
Hanadinoko ireo lasa
Hanasitrana ireo fery
Amin'ny foko ze naratra

Fa ny zavatra nitranga
Iza moa no nahalala?
Fa i Ando sy namako hiany
Hay zareo nifanadala...
Kivy aho fa voadona
Voadona foana ka tavela
Tsy misy apela mahatoky
Fa aleo célibataire

Ka raha mbola vehivavy
Hilaza ho tsara hanambitamby
Efa tofoka aho ny mitia
Ka ataoko toy ny fady
Aleoko manirery
Manoka-tena hoan'ny Ray
Fa raha mbola vehivavy
Efa ampy angamba 'zay
10/01/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fitiavana
1437 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Timoty Josto
Nampiditra : gerardjapon2
Daty : 05/08/2018 20:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094