Tiko loatra ianao (Timoty Josto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiko loatra ianao
Adala aminao ny foko
Na ny havako nafoiko
Satria tiko loatra ianao

Vao mifoha maraina
Ianao no an-tsaina
Toa gaga raha i Neny
Mahita ahy miteny irery
Satria tiko loatra ianao

Ka ny andro rehetra
Ivelomako eto an-tany
Natokako ho anao izany
Na tsiky na tomany
Satria tiko loatra ianao

Ka hatolotro ny foko
Ny anaranao no tiko atsoko
Tsika roa hikopa-kelatra
Ny tananao hasiko peratra
Satria tiko loatra ianao
Timoty Josto
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1370 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Timoty Josto
Nampiditra : gerardjapon2
Daty : 05/08/2018 12:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014