You are here: home > Vetso

Vavaka fangatahana - TOAVINA

Nampiditra : sofina02
Daty : 06/01/2006
Mpamangy : 1792
Isa : 0


  Tompo o!vonjeo izahay
fa latsaka ao anatinay
ny fahamaizina tena mahamay
  Efa nomenao famojena tokoa mantsy
nefa ninia tsy nahita sy tsy nandray
ka voa izao izay mipenipenina mitady Anao
  Be ny ratsy vita
nefa mino fa mbola ahita
ilay famonjena izay mbola tiana
ho hita
Ankehitriny ary sokafinay ny fonay
mba hiterahanao indray
ao anatinay mandrakizay
mba ampio ihany koa
ry Ray Tsitoha
hanohitra sy hiady amin'ilay satana
izay manimba sy mamotika anay
  Mba raiso re tompo
ny vavakay,ny fifonanay
  

Hevitra mandeha

sofina02 (19/01/2006 06:54:02)

milay an!

Hametraka hevitra

Midira aloha