DIAM-PENINA - Toetra RAJA

Mpanoratra : Toetra RAJA
Nampiditra : toetra
Date: 06/02/2010
Mpamangy : 105
Isa : 0
Fidio :







DIAM-PENINA

Nisy hataka
Fanao
Nampihataka
Anao
Tsy nahazoako
Valin-teny...
Tamin'ny foko
Anefa ireny !

Re nandady
Sasak'alina
Ireo adin-
Tsaina lalina
Nisoko
Foana teny...
Nampifoko
Loatra ireny !

Mahatonga
Diam-penina
Manonga
Tsy afenina
Atolotra
Amy fo :
Solo-molotra
Ba roa !


Toetra RAJA
26 martsa 2009
http://www.freewebs.com/toetraraja/

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha