HIRAIKO IANAO SY NY FITIA (Toetra RAJA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIRAIKO IANAO SY NY FITIA

Tiako hiraina avokoa ny momba anao rehetra rehetra,
Ny fijery sy fitsiky eny na dia ny famindra ...
Nefa indrisy tsy ho vita, ny andro iainako voafetra
Ka tsy hary voakalo, voakaly sy voarindra.

Ny fijerinao moa dia farihin-dohasaha
Manaitaitra ny mpandalo hampiroboka azy ao,
Hodidinin'ny zozoro mampientana fanahy,
Mandambolambo ireo babo amin'izao rehetra izao.

Izany tsikitsikinao ! Izany nifinao botsiaka !
Manarangarana baliaka toy ny kintana amin'ny alina,
Rary vato nanahary, soa, meva sy sariaka
Voasariny aho f'izao vao nahita zava-dalina.

Ny famindra mampite hanara-maso ato aoriana,
Rantsam-bàtana sy loha he midoladola ery !
Ny fihiràko anao dia loharanom-pifaliana :
Hihira aho, hiraiko ianao, ary hiraiko ny fitia !

Toetra RAJA
21 oktobra 1986
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1367 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Toetra RAJA
Nampiditra : toetra
Daty : 13/11/2004 23:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108