17 oktobra 2003 (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any izay ialahy
ela letsy 'zay
Tadidiko isika
teo atsimo-nay
niara-nilalao
ialahy be lelo kely tia manao papango
variana nilalao dia nalaiko ny akanjo
sy ny satrok'ialahy
ka nohentiko nitsoaka
Avy eo ialahy nanenjika nitoraka kapoaka
mihodidina kofehy
ka voatoraka ny lohako dia ialahy nihomehy
Narary letsy iny
fa manimanina aho 'zany mijery ny fahiny
Tao ny ratsy tao ny soa
ireny fahazazana tantara avokoa
Firy taona letsy 'zay
Efa reko anie ny feo fa nanambady hono ialahy
ka mba firy 'zay ny zaza
tongava moa letsy na ny handalo fotsiny aza
manko malahelo
fa ialahy tsy hita intsony
Nanadino ny akany tsy nitsidika ahy akory
Raha mba teo manko ialahy tsy nisy ny tomany
fa vao lasa letsy ialahy dia maloka ny tany
Miverena letsy moa fa mafy anie lety e!
Ny pesta mamely
ny tena manirery
ny dahalo misy koa
Tsy hita letsy fa hafa ihany ny taloha
ialahy moa any an-dafy tsy mahita fahoriana
fa izahay aty mijaly maniry fifaliana
Tsaroako tsara letsy isika nihaona farany
mbola samy kely
ialahy niditra ny fiara tsy nahasaraka an'i Neny
nanofahofa tanana
Alahelo letsy ny ahy fa io no daty nisarahana
17 oktobra 2003

R.Penina
(Tohaina)
--------
Rohy:
Sokajy : TSIARO - Fitiavana
1200 2
Mpakafy: haraldtohaina - james01
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148