Diso aho (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba koa voaozona na diso ny safidy
Voateliko ny poizina ary tsapa fa nangidy
Rendrarendran'ny adalana no nipoitra tao anatiko
Olontiana noratrako dia hanody ka tsy tantiko
Namita-behivavy ka loza no nianjady
Fisangina ny fitiavany no nanosika ahy an-kady
Tafalatsaka ary manko ny voninkazo manimpofona
Fitiavana somonga no voadiko fonosana
Dia menatra ny tenako raha nandinika ny fiainako
Latsa no nandrakotra ary haizina no niainako
Saika hanatona aho lahy mba hilaza sy hifona
Nefa diso mafy loatra ny vava tsy tsaroana
Nanjary toky fitaka ny zavatra nambarako
Mety ho tsiniko sahady ny naloaky ny vavako
Manaikitra ny nenina raha nitsapa ny fitiavany
Nanjary tora-bato ny horoka amin'ny vavany
Nanjombona ny endriko fa very teo ny ady
Meloka ny tena nefa manana anabavy
Ka ozona no andrasako ho valim-padisoko
Mba hibaby ny asa vitako ny haratsin'ny foko

Penina Misioka
(Tohaina)
--------
Rohy:
1757 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014