FELANA (Ny tohaina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Felana a?
izato endrikao hoa e!
toy irony anjely irony
raha lasako ianao...
tsy ho avotsotro intsony

Felana ô?
izato anaranao hoa e!
toa anarana hafakely,
ka tiako antsoina foana
rehefa iny aho manirery

Felana a?
izato feonao hoa e!
toa milanto sy malefaka
mampitony ny adin-tsaiko
rehefa iny aho reradreraka

Felana ô?
izato foko hoa e!
toa babonao sahady
ary tsy andriko intsony
fa 'ndao atao ny mariazy


Tohaina Andriamirado
--------
Rohy:
1290 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113