You are here: home > Vetso

Ho an' i Eric Fou ' Hehy - Ny tohaina

Aza  manahy intsony !
fa efa nivavaka ho anao izahay ry dadatoa Eric
koa aoka ianao ho tony !
sitrana soa aman-tsara dia hifaly indray isika
satria tianay ianao
hatramizay , hatramizao

Aza manahy hoy izahay !
fa indro vavaky ny maro no solon' ny fou' hehy
izay nampitsiky anay !
isakin' ny hariva tamin' ny télé
tsy ho very anie ireny
fa ato am-po ombieny ombieny

Andriamanitra tsitoha !
no efa mpanasitrana ny aretina rehetra
koa... sitrana soa !
mba hanohy ny hatsikana sy hanamafy ny talenta
satria tianay ianao
hatramizay , hatramizao


Sokajy : Fitiavana, Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha