tsiambarantelon' iny vehivavy iny (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa iny vehivavy iny niaritra ny mafy
efa saiky maty
moa mba fantatrao fa nopotehanao ny fony
ireny tambitamby nanjary tsisy intsony
tandremo re ny tsiny
fa maty vono anie izy iny
Totohondry miampy daroka
felaka sy kapoka
ady foana isan'andro
taloha anefa ianao mahay manangolango
" Omeko anao ny kintana e!
Omeko anao ny volana e! "
fa rehefa vita ny natao
dia nivadika ianao
jereo ny vadinao
jereo mangasiasy
fa ianao ity tsy miasa nefa mampirafy
ny zanakao anefa mitady anao matetika
miantso foanafoana
isaky ny mihetsika
" makaiza foana i Dada ? "
fa alina vao mody no mbola mamo lava
mafy anie izany e!
ny vady miady irery
ianao mirenireny
tsy manaja azy koa
narary anie izy iny fa mody mafy fo
mody tsy miteny
fa any anatiny any tomany tsy tomany
alahelo tsy alahelo
ka koboniny azy irery
Ho tsy tsiambarantelo

Penina Misioka
(Tohaina)
--------
Rohy:
1427 2
Mpakafy: lemanga - haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny tohaina
Nampiditra : haraldtohaina
Daty : 22/10/2017 09:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173