You are here: home > Vetso

MANDRAMPIHAONA - Tohaina Mikalo

Etsy ianao fihiniko
faraparany eto an-tratrako
Anaovako ny veloma sy mandram-pihaona lahy
Etsy ianao tantanako
ho porofin'ny fitiavako
Na handeha aza ianao,eny efa ahy
Etsy ianao bitsihako
ny tsiambarantelon-tsika
Dia ny teny hoe " tiako ianao " ,hamerina ny tsiahy
Etsy ianao horohako
ndrao aho tara aoriana
Ka tsy afaka intsony raha mipoitra ny ahiahy
Ary etsy ianao hafarako
ireny voadin-tsika ireny
Ka aza avela ho azon' ilay fankampanahy

Tohaina Mikalo

Sokajy : Fitiavana, TSIARO

Hametraka hevitra

Midira aloha