Maro be (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro be ny tiako ambara
Tsy ary voatanisa
Nefa izao tokoa no anjara
Vinavina ihany sisa
Maro be ny tiako ambara
Vetsovetsoko rehetra
Nefa tsy haiko ny mandidy
Fa tapitra voafetra
Maro be ny tiako ambara
Ary satriko dia satriko
Ny miverina manoratra
Ireo diary tononkaloko
Maro be ny tiako ambara
Mikasika ny lasako
Ireo tsiaroko mangina
Sy tadidon'ny asatanako
Maro be ny tiako ambara
Ry tapaka sy namana
Asa soratra etsetra
Saingy indrisy voasakana
Maro be ny tiako ambara
Mombamomba ny tantarako
Nefa moa atao ahoana
Efa vita hatreo ny lalako
Maro be ny tiako ambara
Saingy vita ny tantara
Ary tsy nahita akory
Ireo dimby sy ny fara
Maro be ny tiako ambara
Nefa aza manadino
Raha toa ianao mahatsiaro
Io ny sariko fihino

Penina Misioka
(Tohaina)
--------
Rohy:
1052 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015