MITAZANA AZY ROA SISA (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omaly hariva maizin' andro
mijojo mafy ny orana
tazako irony
tovovavy mitangorina,
eo am-pialofana
efa samy kotsa be,
lena hatrany any anatiny
tena nampomehy
Fa tovovavy iray
no nanintona ny masoko
Oadray " coup de foudre"
saiky latsaka ny satroko
Fa manja be ry reto a!
tena babony ny foko
maontina fitafy
tena miady loko
miampy ity volony
lemandeman' ity orana
tsembotsemboka aho ny farany
tena saiky torana
ka mba iza re ny anarany e ?
aiza no mipetraka
fa na zato kilometatra
andeha aho na dé reraka
izaho manko nitondra elo
hany ka tsy lena
fa ' lay tovovavy
andray mahonena
ka iny aho mba nanantona
sao izy mety aterina
fa vao tsisy telo metatra
dia iny aho fa niverina
Nahoana hoy ianao?
hay izy misy tompony
fa izaho no adala
nitsiriritra fotsiny

Tohaina Andriamirado
--------
Rohy:
Sokajy : TSIARO - Fisarahana - Fitiavana
1251 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149