Nigadra izy (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namako,rahalahiko ary havako
Ory loatra ny fitiavako mandinika ny fiainany
Toerana iainany,
Aloka,
Alahelo sy tomany
Ranomaso ihany sisa no manondraka ny tany
Endrikendrika no antony
Didi-jadon'ireo sasany
Maizina,
Voafatotra ny tanany
Simba ny hasambarany
Niampy fahoriana
Foana ny korana,tsy nisy fifaliana
Ary takona ny feoko
Jambena izay alehako
Niezaka niteny,fa niraikitra ny lelako
Nanjary mafy tamiko,raha nandositra ahy ny olona
Maloka ny endriko,
Tsy tian'ny Fiarahamonina
Manirery nefa fantatro
Tsy niova ange ny lalako
Tsy nataoko izay nataony
Saingy izy mbola namako
Namako,rahalahiko ary havako
Sangisanginay fahiny mampitodika ny lasa
Tsy haiko ny hamafa,
Embona,
Tiako raha miverina
Raha nampoiziko ny tohiny,mety tsy nanenina
Mba afaka nananatra
Saingy indrisy rano raraka
Mangovitra ny tanako
Tondro molotra no azoko,fa nanondrana ny namako
Resim-piainana ny tokiko
Angamba nofinofiko
Raha fohanana ny saziny,kely ny finoako
Zakaiko irery ny eso
Soloiko vetsovetso
Ary maro ireo mifaly,fa vitsy ireo misento
Voakasika ny aiko
Mikorontana ny saiko
Mangina izany fiainako
Mangidy toy ny vahoana
Nefa kosa ampy hisainako
Na manjombona ny rahoana

Penina Misioka
(Tohaina)
--------
Rohy:
1080 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141