Ny masonao (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maninona ianao,
Ny masonao manko mitily misopirana
Asa na ahoana
Sa ny fiainako sahirana sy ny akanjoko mizaitra
No mahatonga anao taitaitra
Ny lambako efa tonta
Rotidrotiky ny fiainana
Ny endriko tsy bota
Sa ny toerana iainana
Tsy haiko fa lazao
Ireo dikan'ny fijery
Manjary mampiteny fa manimba ny tontoloko
Ny masonao leiretsy mampivonto izany foko
Voajerinao ny ambany
Tsinjonao ny kapako mipaingotra efa ratsy
Fahantrana izany lalako
Mosary loatra mantsy ary ny ampy tsy ananako
Ny voloko efa ngita ka lasa saiky tsy hita
Ny bikako efa trotraka
Sempotry ny setroka
Ngaly sy miroraka
Tsy gaga moa ianao raha miova tampoka aho
Na misasa fotsiny aza
Ekeko fa tsy halaza velivevely
Na ovina na ovina
Na inona na inona
Maloto foana tsinona
Vakivaky moa ny tongotro
Tsy malefaka ny hoditro fa maina sy mangafoka
Raha ny tseroka efa rakotra
Ny vavako miteny
Mamofona aok'izany
Ny fofony tsy laitra fa maimbo foana ihany
Ny tanako manoratra no tena loza loatra
Tai-tsofiko mivoaka
Nakipinao ny maso fa kiriko ianao avy eo
Lasa tsy niseho fa iny ianao fa leo
Kivy ny mijery izato fahatrako
Ka iny aho niantsoantso
Ny dobokelinao,ny masonao
Tsy mba mihantra fa mandratra ny olon-kafa
Hafahafa...

Penina Misioka
(Tohaina)
--------
Rohy:
1254 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144