You are here: home > Vetso

Ny tranonay - Ny tohaina

Asaiko ianao hitsidika ny tokatranonay
Voahaingo tononkalo ny rindrina rehetra
Ny valin-drihana mangirana rehefa injay jerena
Ka mipetraka eny koa ireo sarin'ny poeta
Ny fanaka ao anatiny voaisy ranomanitra
Mipirina ao tsara ny boky samihafa
Ny taratasy voasoratra mivalona ao daholo
Ahafahanay mijery ny rakitry ny lasa
Ao ny penina karazany anaty boaty kely
Ny rakibolana matevina miloko mangamanga
Vatakely gasigasy somary efajoro
Sarin'olona mpanoratra natao tanimanga

Penina Misioka
(Tohaina)

Sokajy : TSIARO, vazivazy

Hametraka hevitra

Midira aloha