Raha toa... (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ianao mahita
Maso mitomany
Ka tsy fantatrao ny tompony
Fafao fa ahy izany
Raha toa ianao mahita
Saina lasa lavitra
Ahy mantsy izy io
Ka sitrano fa tsy avotra
Raha toa ianao mahita
Tarehy malok'endrika
Ka mitovitovy amiko
Ampifalio fa ndrao ho tezitra
Raha toa ianao mahita
Vava tsy be teny
Ka fantatrao fa ahy
Dia ampihomezo kely
Raha toa ianao mahita
Fo mitia mangina
Ka ny toerany ato anatiko
Raiso fa aza ariana
Raha toa ianao mahita
Tanana tsy mihetsika
Ka eny aminy ny peniko
Safoy hipelipelika
Raha toa ianao mahita
Toetra anaty lavaka
Angamba toetrako io
Dia ampio fa tsy ampy vavaka
Ary raha toa ianao mahita
Atidoha bado lahy
Avereno re aty
Manko bado koa ny ahy

Penina Misioka
(Tohaina)
--------
Rohy:
Sokajy : TSIARO - Fitiavana
1130 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106