Compte Fake (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fetsy kosa ianao
Mba fetsy koa ny Raiko
Na misandoka ahy foana
Tsy hahakitika ny aiko
Dia reraka eo ianao
Raha mbola manaratsy
Sasa-poana fotsiny ihany
Tsy hahavita valifaty
Voalotonao ny anarako
Ka maro no mandositra
Saingy mafy koa ny foko
Nofy raha ho potika
Ny tetik'adinao
Efa fantatro tsianjery
Ny tanjonao anie
Ny ahatonga ahy irery
Na impiry ianao misandoka
Tsy hino anao ny namako
Efa fantatr'izy ireo
Tara loatra ianao rahavako
Moa menatra ianao
Ka manaikitra ny nenina
Fa voalazako avokoa
Ireo zavatra nafenina
Tsy fantatrao angaha
Fa ny marina dia marina
Mipoitra foanafoana
Na dia sarotra fantarina
Kay ianao no tao ambadika
Ninia tsy niteny
Nahoana dia nahoana
No nigafy toy ireny
Nanosopotaka ny anarako
Ka nangina aho tsy nilaza
Miharihary ny porofo
Dia io ianao fa gaga
Nefa namako ianao
Tsy mba raisiko fahavalo
Na dia mafy tamiko aza
Ny zavatra nandalo
Teny kely sisa angamba
Aoka ianao hiaiky
Voavela ny helokao
Ry mpanao compte fake

Penina Misioka
(Tohaina)
--------
Rohy:
Sokajy : TSIARO - vazivazy - Teny vahiny
863 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148