You are here: home > Vetso

SOAVADIA IANAO RY SOROTRO (Tiako izy ireo) - Tohaina Mikalo

Veloma ry toerana

Taratasy sy ny peniko injao mba niserana

Sy nitondra ny asa soratro mba tsy arafesona ny anarany

Dia tonga teo ireo nitafatafa faraparany

Tsarovy foana anefa fa tsikitsiky anie izany

Ary aza malahelo satria tsy mba lany

Ny diary mitahiry ireo vetso samihafa

Voatahiry ao ireo tsy mbola voafafa

Tadidio ny voady fony isika vao mpinamana

Mamiko ny teniko io no voady nikambanana

Niady mafy koa isika mba tsy diso ny tsipelina

Saingy lasa moa ianao rahovina vao miverina

Dia ento lavidavitra eo akaikinao ravorona

Ampitondraiko anao ny teny fa anomboka ny tolona

Tandremo sao very ireo litera voasoratra

Raha toa hamakivaky irony tendrombohitra

Poa toy izany dia tonga ny fotoana

Gina avokoa angamba samy moana

Nahita ireto soratra manofahofa tanana

Sady maika dia maika mbola lavitra ny lalana

Lazao ny tapaka sy namana fa TIAKO IZY IREO

Mantsy izay no  voasoratra raha toa  ka  aseho

Nisambotra aloka ny foko mandrapihaona sisa teniko

Takona ravorona nanjary maloka ny peniko

Veloma ry toerana

Taratasy sy ny peniko injao mba niserana

Sy nitondra ny asa soratro na dia poeta adaladala

Soavadia ianao ravorona sy ny soratro malala


TOHAINA MIKALO 2017
Boky TSIARO
(fb: Tohaina Andriamirado)

Sokajy : Fitiavana, Namana, TSIARO

Hametraka hevitra

Midira aloha