Tsy anjara (Tojo andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa tsinjoko sahady;
Izato any aoriana;
F'izaho matahotra ady;
Na koa fijaliana.

Toa mibahana ato an-tsaina;
Izay efa nahavoa;
F'angamba mety ho ravaina;
Fa tsy anjara ny anay roa.

Toa handalo sy hiserana;
Sy hipetraka ho tantara;
Tahak'izay efa nolalovana;
F'izany angamba ny hoe tsy anjara.
--------
Rohy:
1320 1
Hevitra mandeha
MahefaTantely ( 25/03/2015 12:41)
Misaotra betsaka. Tena tsara mababo fo sy fanahy
tojoandria ( 25/03/2015 12:42)
Mafinaritra e, voadona angaha?
MahefaTantely ( 25/03/2015 12:44)
Tsy voadona fa mahatsiaro ny tantara vita
tojoandria ( 01/04/2015 06:48)
Fiainana daholo izany e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo andria
Nampiditra : tojoandria
Daty : 25/03/2015 05:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105